Acts 15

1Ny olona sasany dia nidina avy tany Jodia hatrany Antiokia ary nampianatra ireo rahalahy, ka niteny hoe: “Raha tsy vita famorana araka ny fomba fanaon’i Mosesy ianareo, dia tsy ho voavonjy ianareo.” 2Izany dia nitondra an’i Paoly sy Barnabasy tao anaty fifandirana sy ady hevitra tamin’izy ireo. Noho izany i Paoly sy i Barnabasy dia voatendry niaraka tamin’ny sasany hafa tamin’izy ireo hiakatra any Jerosalema mba hihaona amin’ireo apostoly sy ireo loholona momba izany fanontaniana izany.

3Noho izany izy ireo, nalefan’ny fiangonana, dia namakivaky an’i Foinika sy Samaria ary nanambara ny fiovam-pon’ireo Jentilisa. Izy ireo dia nitondra hafaliana lehibe tamin’ireo rahalahy rehetra. 4Rehefa tonga tao Jerosalema izy ireo, dia noraisin’ny fiangonana sy ireo apostoly ary ireo loholona, ka nitatitra ireo zavatra rehetra izay nataon’ Andriamanitra tamin’izy ireo.

5Nefa ny olona sasany izay nino, izay tao amin’ny tarik’ireo Fariseo, dia nitsangana sy niteny hoe: “Ilaina ny manao ny famorana azy ireo sy ny mibaiko azy ireo hitandrina ny lalàn’i Mosesy.” 6Noho izany ireo apostoly sy ireo loholona dia niara-nivory mba handinika izany zava-misy izany.

7Taorian’ny ady hevitra be, nitsangana i Petera ka niteny tamin’izy ireo hoe: “Ry rahalahy, fantatrareo fa efa taloha ela be Andriamanitra no nanao safidy teo aminareo, mba ho amin’ny alalan’ny vavako dia tokony handre ny tenin’ny filazantsara ireo Jentilisa, ary hino. 8Andriamanitra, izay mahafantatra ny fo, vavolombelona amin’izy ireo, nanome ny Fanahy Masina azy ireo, toy ny nataony tamintsika; 9ary tsy nanao fanavakavahana tamintsika sy tamin’izy ireo Izy, nanadio ny fon’izy ireo tamin’ny finoana.

10Ary noho izany nahoana ianareo no mitsapa an’Andriamanitra, hoe tokony hametrahanareo zioga eo amin’ny vozon’ireo mpianatra nefa na ny razantsika na isika aza tsy mahavita milanja? 11Nefa mino isika fa ho voavonjy amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Tompo Jesosy, toa azy ireo ihany koa.”

12Ny olona rehetra dia nitazona ny fahanginana nandritry ny nihainoan’izy ireo an’i Barnabasy sy Paoly mitatitra ireo famantarana sy ireo fahagagana niasan’Andriamanitra izay niasa tamin’ireo Jentilisa tamin’ny alalan’izy ireo.

13Rehefa avy nijanona niresaka izy ireo, dia namaly Jakoba, niteny hoe: “Ry rahalahy, henoy aho. 14I Simeona dia efa nanambara ny fomba nanampian’Andriamanitra tam-pahasoavana voalohany ireo Jentilisa mba haka amin’izy ireo olona ho an’ny anarany.

15Ireo tenin’ireo mpaminany dia momba izany, araka ny voasoratra hoe: 16‘Aorian’ireo zavatra ireo dia hiverina aho, ary hanangana indray ny trano lain’i Davida aho, izay efa nianjera; Hanamboatra sy hamerina amin’ny laoniny indray ireo faharavany aho, 17mba hitady ny Tompo ireo olona sisa tavela, ao anatin’izany ireo Jentilisa rehetra izay antsoina amin’ny anarako.’ 18Izao no nolazain’ny Tompo, ireo izay efa nanao ireo zavatra ireo izay efa fantatra tamin’ireo razambe fahiny. (Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany taloha dia mivaky toy izao: “Izao no nolazain’ny Tompo, amin’ireo izay fantatra tamin’ny andro fahiny ny asany rehetra.)

19Noho izany, ny hevitro dia, tsy tokony hanakorontana ireo avy amin’ny Jentilisa izay nitodika tamin’Andriamanitra isika. 20Fa isika dia hanoratra ho azy ireo fa tsy maintsy miala amin’ny fahalotoan’ireo sampy izy ireo, amin’ny fahavetavetana, ary amin’ny henan’ireo biby voakenda, sy amin’ny rà izy ireo. 21Satria Mosesy dia efa voambara tamin’ny isan-tanàna tamin’ny andro fahiny ary izy dia vakiana ao amin’ireo synagoga isaky ny Sabata.”

22Dia toa tsara tamin’ireo apostoly sy ireo loholona, niaraka tamin’ny fiangonana manontolo, ny hifidy an’i Joda izay antsoina hoe Barsabasy, sy i Silasy, izay mpitarika ny fiangonana, sy ny handefa azy ireo any Antokia miaraka amin’i Paoly sy Barnabasy. 23Izy ireo dia nanoratra ity: “Hatrany amin’ireo apostoly sy ireo loholona, ireo rahalahinareo, hatramin’ireo rahalahy avy any Jentily any Antiokia, Siria, ary Kilikia: Arahaba!

24Isika dia efa nandre fa ireo olona sasany dia niala tamintsika, tsy nisy baiko avy amintsika, ary nanelingelina anareo tamin’ireo fampianarana izay nampikorontana ny fanahinareo. 25Izao no izy, izahay rehetra dia efa nanaiky ny hifidy ireo lehilahy sy handefa azy ireo any aminareo miaraka amin’i Barnabasy sy Paoly malalanay, 26lehilahy izay nanao ny ainy tsy ho zavatra ho an’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika.

27Noho izany izahay dia maniraka an’i Joda sy i Silasy, izay hilaza aminareo io zavatra io ihany amin’ny tenin’izy ireo manokana. 28Fa toa tsara amin’ny Fanahy Masina sy aminay, ny tsy hampitondra anareo entana lehibe noho ireo zavatra tena ilaina ireo: 29mba hialanareo amin’ireo zavatra nataonareo ho fanatitra amin’ireo sampy, rà, ireo zavatra voakenda, ary avy amin’ny fahavetavetana. Raha mitandrina ny tenanareo amin’izany ianareo, dia ho tsara aminareo izany. Veloma.”

30Noho izany izy ireo, rehefa voaroaka, dia nidina tany Antiokia; avy eo izy ireo dia namory ny vahoaka niaraka, ary nanolotra ilay taratasy izy ireo. 31Rehefa voavakin’izy ireo izany, dia nifaly izy ireo noho ny fampaherezana. 32Joda sy i Silasy, mpaminany ihany koa, dia nankahery ireo rahalahy tamin’ny teny maro sy nampahery azy ireo.

33Rehefa avy nijanona fotoana vitsivitsy tao izy ireo, dia nalefa am-piadanana avy amin’ireo rahalahy ho any amin’ireo izay nandefa azy ireo izy ireo. 34[Fanamarihana: Ny dikan-teny tranainy indrindra dia manala ny andininy faha34 (jereo ny Asa 15: 40): “Nefa mbola satrin’i Silasy ny hijanona teo.”] 35Fa i Paoly sy Barnabasy dia nijanona tany Antiokia niaraka tamin’ireo maro hafa, izay nampianaran’izy ireo sy nanambaran’izy ireo ny tenin’ny Tompo.

36Taorian’ny andro vitsy Paoly dia niteny tamin’i Barnabasy hoe: “Andao isika hiverina ankehitriny ary hamangy ireo rahalahy any amin’ny tanàna rehetra izay nanambarantsika ny tenin’ny Tompo, ary hahita hoe manao ahoana izy ireo.” 37I Barnabasy dia te hitondra ihany koa an’i Jaona izay nantsoina hoe Marka hiaraka amin’izy ireo. 38Nefa i Paoly nihevitra fa tsy tsara ny hitondrana an’i Marka, izay nandao azy ireo tany Panfilia sy tsy nanohy niara-niasa tamin’izy ireo niasa.

39Avy eo dia nisy fifandirana mafy, ka nisaraka izy ireo, ary i Barnabasy nitondra an’i Marka niaraka taminy ary nandeha sambo nankany Sipra. 40Fa i Paoly nifidy an’i Silasy ary nandeha, taorian’ny nanomezan’ireo rahalahy azy andraikitra ho an’ny fahasoavan’ny Tompo. Avy eo izy dia nandeha namakivaky an’i Syria sy i Kilikia, ka nampatanjaka ireo fiangonana.

41

Copyright information for PltULB